<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>170</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ny fitiavanao
 No ifalianay
 Fa voavono Hianao
 Hisolo voina anay,
 Mba raisonao re
 Ny saotra aterinay izao,
 Ho fanajana
 Anao, Mpamonjy tia !

[V2]
 Mahery ny fitiavanao,
 Ka itokianay ;
 Izay mikamabana Aminao
 Dia tsy hangaihay,
 Mba raisonao re, ..sns.

[V3]
 Ambony ny fitiavanao,
 Ka tsy mba takatray ;
 Kanefa noho ny herinao,
 Hiezaka izahay,
 Mba raisonao re, ..sns.

[V4]
 Hiezaka izahay, Jeso !
 Ka mba ho tia Anao,
 Ka tsy hatahotra eso koa,
 Noho ny Aminao !
 Mba raisonao re, ..sns.</lyrics>
<title>Ry Jeso ny fitiavanao no ifalianay FFPM170</title>
</song>